TARIJARA: angôvo ara-pañahy, ara-tsaiñy mampiangana amin’ny andra sarotro.
TARIJARA: HiTARIky anJARA! Jôro, firariantsoa ary fañiriaña afafy an-tsöratra no votoatiny boky faharoe nosoratan’i Momo Jaomanonga. Tononkalo maromaro amin’ny fitenim-paritry avaratra (Antakaraña – Sakalava Bemazava) izay mañampy amin’ny fandraisan-kafatra ato añatiny sady tombony amin’ny fañampiam-pahalalaña tenim-paritry avaratra ny dikan-teny amin’ny malagasy iombonaña natao ao amin’ny tapany faharoen’ny boky.
Ny filohan’ny Havàtsa – UPEM (Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy) HAJAINA (Ramatoa Andrianasolo Hajaina Naomy) no nañano ny teny fanoloran’ny boky TARIJARA ary ny filoha lefitr’ity fikambanana ity foño koa i THINA Andriafaly no nañano ny teny famaranaña; mazava ho azy fa misy mpanöratra baka avaratra karaha i MIJO (Myriam Amady) nandrangotro hafatra an-tsöratra ato añatiny.
Details
- Publication Date
- Jan 27, 2020
- Language
- Malagasy
- ISBN
- 9780244449582
- Category
- Poetry
- Copyright
- All Rights Reserved - Standard Copyright License
- Contributors
- By (author): Momo Jaomanonga
Specifications
- Pages
- 76
- Binding Type
- Paperback Perfect Bound
- Interior Color
- Black & White
- Dimensions
- Pocket Book (4.25 x 6.875 in / 108 x 175 mm)